Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Kaomina Ambanivohitra Namorona, Distrikan’ny Manakara, Faritra Fitovinagny
Fizarana « Kits de Sécurité en mer » narahana fanentanana

 

« Kits de Sécurité en mer » ahitana Salotra vonjy aina, Radio, Torche, Famataranandro tsy mataho-drano, Harona plastika, « Bouée de repérage » ary « Étanche protection téléphone » miisa 120 avy no natolotran’ny DRPEB Fitovinagny, ireo Mpanjono miisa 120 lahy mivondrona ao anatin’ny fikambanana Taratra sy Ravinala ao Antanambao Ambinagny sy Ambinagny Namorona ny faha 11 Oktobra 2023.

Tsy adino ny nanentana azy ireo hitandrina amin’ny fanampoizinana vokatra ny fihinana ireo karazana hazandrano mety hisy poizina na ICAM indrindra amin’izao fidirana amin’ny vanimpotoana mafana izao, nandritra ny fotoana.

Nisy ihany koa ny fampahafantarana ny mpanjono fa mihidy ny jono an-dranomamy manomboka ny 15 Oktobra hatraminy 30 Novambra 2023 izao.

Tonga nanome voninahitra izao fihaonana izao ny Ampanjaka sy ireo Mpitondra eny ifotony.
Marihana fa ny Kaomina Ambanivohitra Namorona dia Kaomina any amin’ny farany avaratra (limitrophe) manasaraka ny faritra FITOVINAGNY sy VATOVAVY.