Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Ambovombe, Faritra Androy : Fitsidihana ny orinasa MADAPECHE

Tafapetraka soa aman-tsara ao Ambovombe, Faritra Androy, ny orinasa MADAPECHE raha toa ka tao Taolagnaro, Faritra Anôsy, hatrany no niasan’ny orinasa. Sambany eo amin’ny tantaran’ny Faritra Androy no nisy ivon-toerana mikarakara sy manangona vokatra Oratsimba na « Langouste » ao amin’ny Faritra ary tombony lehibe hoan’ireo mpanjono sy ireo tanora izany.

Raha tsiahivana dia orinasa manana ny lanjany amin’ny fanangonam-bokatra sy fanondranana Oratsimba ny orinasa MADAPECHE.

Ny fahavitan’ireo foto-drafitrasa maro any an- toerana no maharesy lahatra ireo mpisehatra tsy miankina hampiasa vola any an-toerana izay hanampy azy ireo eo amin’ny fampihodinana ny orinasany sy ny fahamoran’ny famoahana ny vokatra mihazo an’i Taolagnaro.

Ny fisokafan’ny orinasa toy izao dia mifanindry an-dalana amin’ny vinan’ny Ministera amin’ny fampiroboroboana ny sehatry ny Jono sy ny Toekarena Manga hitondra famoronana asa manga, mendrika sy mahavelona.

Tonga nitsidika ny orinasa MADAPECHE, Atoa Ministran’ny Jono sy ny Toekarena Manga, MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert, androany 05 Oktobra 2023.