Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Ambovombe, Faritra Androy : Tonga hanatrika ny foara « VOATSE » any an-toerana Atoa Minisitra

Nigadona tao amin’ny seranam-piaramanidin’ny Taolagnaro Atoa Minisitran’ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert androany 03 Oktobra 2023 hihazo ny tananan’Ambovombe, tonga hanatrika ny hetsika karakarain’ny Faritra Androy, foara « VOATSE », hotanterahana ny 04 Oktobra 2023.

Nanararaotra nitsidika ny Ben’ny Tananan’i Kaomina Manambaro ny tenany nandritra ny diany mba hitafa sy hidinika miaraka aminy ary hamaly ny antson’izy ireo mahakasika ny asa fampiroboroboana ny jono sy ny fihariana anaty rano ao an-toerana.

Nandray azy araka izany ny Ben’ny tanana lefitra tao an-toerana ka lohahevitra maro no nodinihina tamin’izany.

Mbola hisy ny fidinana ifotony hijerena ny zava-misy ao an-toerana hahafahana mamaly izany ny hetahetan’izy ireo izany.

Avy hatrany dia nitodi-doha any Androy Atoa Minisitra taorian’izay ka tonga nitsena azy teny am-pahatongavana ireo Tompon’andraikitra maro any an-toerana izay notarihan’i Governora sy ny Lehiben’ny Prefektiora any an-toerana.