Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Tsianisiha, Distrika Toliara II, Faritra Atsimo Andrefana :
Olona 4 no namoy ny ainy ary 12 no manaraka fitsaboana vokatry ny fanapoizinana ara-tsakafo nohon’ny fihinana vokatra an-dranomasina

 

Nidina teny ifotony ny Talen’ny Fitaleovam-paritran’ny Jono sy ny Toekarena Manga ao Atsimo Andrefana sy ireo mpiara-miasa aminy nijery ifotony ny zava-misy taorian’ny fanapoizinana ara-tsakafo vokatry ny fihinana vokatra an-dranomasina tao Tsianisiha, Distrika Toliara II.

Rehefa nifampiresaka tamin’ireo fianakaviana voakasika sy ireo Manam-pahefana eny ifotony izy ireo dia hita fa trondro namidy teo an-toerana ny Alarobia faha 27 Oktobra 2023 teo fa tsy Mpanjono akory izy ireo. Voamarina fa olona 4 no namoy ny ainy ny Zoma faha 29 Oktobra 2023 ary 12 no manaraka fitsaboana amin’ny tobim-pahasalamana. Mandoa sy mivalana ary maheno hafanana eo amin’ny feo no fisehon’ny aretina.

Naka singa (échantillons) maromaro hanaovana fitiliana tamin’ireo trondro izay voalaza fa nahatonga izao tranga izao ireo teknisianina. Mandram-piandrasana ny valin’ny fitiliana dia efa tsikaritra sahady teny an-toerana fa nahitana fiandolo na gogo (Pletosus sp) amin’ireo trondro izay nosakafoanan’ireo olona. Mety io no antsoin’izy ireo hoe « Losoloso », izay fantatra fa misy poizina ny tsilony eo amin’ny lamosiny.

Ho taterina eto ihany ny valin’ny fitiliana tsy ho ela ary manentana hatrany izahay Tomponandraikitra mba tsy hinanantsika trondro tsy fantatra sy tsy mahazatra satria noho izao fiovan’ny toetrandro izao dia betsaka ny zavatra miova eo amin’ny tontolo an-dranomasina. Hamafisina ihany koa fa afaka mihinana hatrany ireo trondro mahazatra isika ankoatr’ireo voalaza fa misy poizina rehetra araky ny hita eo amin’ny peta-drindrina ireo.