Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Atrikasa mahasika ny famokarana zanatrondro lahy

 

Ho fandaniana ny volavolan-dalana amin’ny hampiasana ny « horomone » hazahoana zanatrondro lahy ho fampiroboroboana ny fampamokarana ny atirano dia nisy ny atrikasa mahakasika izany notanterahina ny 29 Septambra 2023 teny amin’ny Hôtel Panorama Antananarivo.

Atrikasa iarahan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga sy ny Tetikasa PADM. Marihana moa fa efa nisy ny fananganana « comité » misahana ity sehatra ity notanterahana tany Ampefy ny volana Jolay 2023 lasa teo ary ny hevitra novolavolaina tamin’izany no nolaniana sy nankatoavina nandritra ity atrikasa ity.

Efa maro moa ny mpiompy misehatra amin’ny  fiompina sy famokarana zanatrondro lahy  tilapia ka ilaina ny tolo-tanana sy fahaiza-manaon’izy ireo hoetina hanatsarana ny vokatra.