Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Maurice : SARCOF 27

 

Nifarana omaly 28 Septambra 2023 ny fivoriana tao amin’ny Nosy Maurice mahakasika ny SARCOF andiany faha-27 eo anivon’ireo firenena mikambana ao anatin’ny SADC izay naharitra hateloana ny faha 26 ka hatramin’ny 28 Septambra 2023.

Nisy hatrany ny asam-baomiera nandritra ny fotoana nivoriana nahitana ny vondron’ny Akoran’afo « Energie », ny Fitantanana ny loza mety ho avy na « Gestion des risques », ny Rano na « Eau » ary ny Fambolena sy ny Fanjarian-tsakafo na « Agriculture et Sécurité alimentaire » nandraisan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga anjara tamin’ny alalan’ny Fitaleavana ny fampamokarana ny atirano.

Tao anatin’izany no nitondrana ireo atontan-kevitra mahakasika ny toetrandro amin’ireo firenena mpikambana, nanomezana ny ambana amin’ny toetrandro ao anatin’ny volana Oktobra hatramin’ny volana Martsa. Ary nitondrana ihany koa ireo paikady hoentina miatrika izany.