Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Hôtel Hilton, Saint Petersbourg, Russie : Fanokafana ny foara  » VI ème édition du Forum International de la Pêche et l’exposition de l’industrie des Produits Halieutiques et des Technologies « 

 

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny faha 27 Septambra 2023 ary haharitra telo andro ny foara  » VI ème édition du Forum International de la Pêche et l’exposition de l’industrie des Produits Halieutiques et des Technologies  » tanterahina ao amin’ny Hôtel Hilton ao Saint Petersbourg, Russie, karakarain’ny Agence Fédérale des Pêches.

Taorian’ny fanokafan’i Minisitran’ny Fambolena Rosiana dia niroso avy hatrany tamin’ny fitsidihana ny tranoheva ary nofaranana tamin’ny kabary.

Mifantoka tanteraka amin’ny fiaraha-miasa sy fijerena ny olana misy eo amin’ny sehatra no antom-panatanterahana izao foara izao toy ny resaka fanampiana ara-bola, ara-tsiansa, ny fiompiana trondro, …sns mba hitadiavana vahaolana mifandraika amin’izany.

Maro ny olana taorian’ny fisian’ny COVID ka fotoana fitadiavana vahaolana amin’ny fiaraha-miasa zay mety atao no tadiavina.

Tonga nanome voninahitra ny hetsika Rtoa Minisitran’ny Jono avy any Guinée, Charlotte Daffe, Madagasikara tamin’ny alalan’Atoa Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga, TILAHY Désiré sy Atoa Talen’ny Jono, Sénégal, Mozambique, Iran, … sns, ankoatra ireo mpamokatra sy mpanondrana vokatra hazandrano maro avy ao an-toerana notariahan’i Filohan’ny « Agence Fédérale des Pêches » ao an-toerana.

Nitohy tamin’ny fifampidinihana mahakasika ny fanjonoana sy ny toerana misy azy amin’ny ankapobeny ary ny fanampiana nataon’ny fanjakana Rosiana ny hariva, niarahana tamin’i Ministran »ny fambolena Rosiana, Sefon’orinasa dimy lehibe mpamokatra ao an-toerana ary ny Filoha Federalin’ny jono.

Nifarana tamin’ny fiaraha-miala hetaheta ny andro voalohany sady fiarahabana ireo mpandray Anjara.