Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

AMBILOBE , FARITRA DIANA : FANKALAZANA NY ANDRON’NY VONDRON’OLONA IFOTONY ANDIANY FAHAROA.

Nankalazaina nandritra ny roa andro teto amin’ny Faritra Diana ny Andron’ny Vondron’olona Ifotony andiany faharoa izay nampitondraina ny teny filamatra hoe: Izahay vondron’olona ifotony fototro amin’ny fikobabiana hariagna voajanahary.

Fankalazana eo ambany fiahian’ny Governoran’ny Faritra Diana ary tonga nanome voninahitra izany ny Minisitra MAHATANTE Paubert sy ireo manamboninahitra isan-tsokajiny.

Anisan’ny mampiavaka an’ny Faritra Diana ny harena an-dranomasina , ny harena anaty ala ary ny harena an-kibon’ny tany. Manodidina 320 eo ho eo kosa ireo Vondron’Olona Ifotony ao an-toerana izay ahitana ny TGRH sy TGRN.

Ilaina ny fitandrona ny tontolo iainana ho mariky fampandrosoana satria dia mifampiankina ny  ala sy ny rano, ary rehefa  ny rano dia misy ny toekarena manga hoy ny tenany nandritra ny fandraisam-pitenenany.

Nandritra izany ihany koa ny famindram-pitantanana teo amin’ny TGRN – VOI.