Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Zone Forello Tanjombato, Antananarivo Faritra Analamanga : Fihaonana an-databatra boribory amin’ireo mpisehatra sy mpandraharaha amin’ny sehatry ny Jono

Ho fanatsarana sy ho fitananana maharitra ny ireo harena an-dranomamy sy an-dranomasina indrindra ny sehatry ny Jono dia nisy ny fihaonana an-databatra boribory niarahan’Atoa Minisitra MAHATANTE Paubert tamin’ireo mpisehatra Sy mpandraharaha amin’ny sehatry ny Jono ny 22 Septambra 2023.

Fihaonana izay nandraisan’ireo mpisehatra sy mpandraharaha tokoa satria namalian’Atoa Minisitra ireo fanontaniana nanitikitika azy ireo sy nitanterany ihany koa ireo olana sedrain’izy ireo eo amin’ny tontolon’ny Jono. Anisan’ny nitondrana fanazavana nandritra ity fihaonana ity ny mahakasika ireo didy aman-dalàna mifehy ny Jono sy ny fiompiana anaty rano sy ireo foto-drafitrasa natsangan’ny Minisitera.

Nohamafisin’Atoa Minisitra fa ilaina ny fifanomezan-tanana eo amin’ny rehetra mba ahafahana mitantana maharitra ireo harena anaty rano ho lovainjafy. Hetsika izay tafiditra amin’ny tsenabe iraisam-pirenena ho an’ny Fambolena Sy ny Fiompiana Ary ny Jono izay tanterahina eny amin’ny Zone Forello Tanjombato.