Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Tanjombato, Antananarivo Faritra Analamanga : Fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny Tsenabe Iraisam-pirenena hoan’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono andiany faha 05.

Tanterahina eny amin’ny Zone Forello Tanjombato ny 21 hatramin’ny 24 Septambra 2023 ny Tsenabe Iraisam-pirenena hoan’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono andiany faha 05. Arak’izany dia notontosaina ny 21 Septambra 2023 ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy izany Tsenabe Iraisam-pirenena izany, izay notronin’Atoa Minisitra MAHATANTE Paubert notronin’ireo mpiara-miasa aminy.
Sehatra stratejika iray ho an’ny fiaraha-miasa sy fampiasana vola eo amin’ny sehatry ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono ity Tsenabe Iraisam-pirenena ity izay ahafahana mifandray sy mifanakalo hevitra eo amin’ny tontolon’ny famokarana .Hampiratiana mandritra ity hetsika ity ireo vokatra azo avy amin’ny tany, ny rano, ny ranomasina ka tanjona ny hampifandraisana ireo mpamokatra amin’ireo mpandraharaha hanamorana ny lalam-barotra ho azy ireo.
Ho an’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga manokana dia hisy ny fahampafahantarana ireo asa sy andraikitra sahanin’ny Ministera sy ireo ratsa-mangaika misy ao aminy. Hisy ihany koa ny fanomezana toro-hevitra ho an’ireo izay te hisehatra amin’ny tontolon’ny fiompiana anaty rano sy ny Jono.