Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Fizarana Mari-pankasitrahana hoan’ireo « Inspecteurs de Pêche » nahavita fiofanana mahakasika ny famorina « vedette » na « Skipper »

 

Taorian’ny fiofanana nandritra ny roa herinandro mahakasika ny famorina « vedette » na « Skipper » dia nozaraina ny faha 15 Septambra 2023 tao amin’ny Hôtel Le Roche Rouge, Mahajanga, Faritra Boeny, ny Mari-pankasitrahana na « Certificat » hoan’ireo « Inspecteurs de Pêche » tao amin’ny andiany « Riaky » tonga nanatrika izany.

Tsara dia tsara ny vokatra azo raha toa ka nahazo ny salanisa ankapobeany 18,3 (Moyenne de la classe) izy ireo ka samy afa-po na ny mpiofana na ny mpampiofana.

Marihana moa fa ny APMF no mpampiofana ary ny Tetikasa Swiofish 2 no nanohana ara-bola an’izao hetsika izao.