Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Ampandrianomby, Antananarivo : Fitsidihan’Atoa Masoivohon’ny Royaume Uni eto Madagasikara sy ireo mpiara-miasa aminy

Tonga nitsidika an’Atoa Ministrin’ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert tao amin’ny Birao fiasany tao Ampandrianomby, Antananarivo, ny Masoivohon’ny Royaume Uni eto Madagasikara Atoa Son Excellence David Ashley sy ireo mpiara-miasa aminy siantifika avy any Londres androany faha 12 Septambra 2023.

Niompana tamin’ny lafiny Toekarena Manga sy ny ranomasina ary ny tontolo iainana ny fihaonana tamin’ny ankapobeany. Voaresaka tamin’izany ny hafahana mampivelatra ny tontolon’ny ranomasina amin’ny alalan’ny fijerena ny zavatra rehetra azo avadika ho vola mba ho fototry ny fampandrosoana hoantsika eto Madagasikara ao anatin’ny tontolon’ny Toekarena Manga.
Teo ihany koa ny fomba hanatsarana hatrany ny fikajiana ny ranomasina hiadina amin’ny resaka loto na « polution » ary tsy adino ny fomba hanatsarana ny fari-piainan’ireo mpanjono sy ny fiankaviany.
Manoloana ny fiovan’ny toetrandro na « Changement climatique » dia nojerena ny fomba hiatrehantsika izany.

Voaresaka nandritra ny fotoana ihany koa ny fikarohana amin’ny ankapobeany hafahana mijery ireo harena mbola tsy voatrandrakantsika eto Madagasikara. Tonga izy ireo hitondra sy hizara fahaizana, fahalalana rehetra hafahana mampivoatra ny tontolon’ny ranomasina hoantsika eto Madagasikara.