Famaranana ny fakan-kevitra Nasionaly hanomanana ny fivorian’ny CTOI 04.05.2023
Ny 04 Mey 2023 no namaranana ny fankan-kevitra Nasionaly hanomanana ny fivoriana faha 27 ny CTOI na ny fivondronan’ireo firenena mpanjono Lamatra aty amin’ny Faritry ny ranomasimbe Indianina, izay namolavolan’ireo mpisehatra rehetra ireo tolo-kevitra maro hoentin’ireo solontenan’i Madagasikara hiatrika izany fivoriana izany ahafahana mametraka amin’ny toerana tokony hisy an’i Madagasikara eo amin’ny sehatry ny Jono Lamatra.
Tsiahivina fa ny 08 hatramin’ny 12 Mey 2023 no hanatanterahina ny fivorian’ny CTOI ao amin’ny Nosy Maorisy. Tonga namarana tamin’ny fomba ofisialy izany fakan-kevitra Nasionaly moa Atoa Minisitra MAHATANTE Paubert .