Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Baie de Sakalava, Kaominina Ambanivohitra Ramena, Distrikan’Antsiranana II, Faritra Diana: FESTIKITE Andiany faharoa

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny Baie de Sakalava, Kaominina Ambanivohitra Ramena, Distrikan’Antsiranana II, Faritra Diana, ny 07 Septambra 2023 ny FESTIKITE Andiany faharoa raha toa ka tamin’ny 26 May 2022 ny Andiany voalohany.

Mpifaninana maherin’ny 90 no andrasana amin’izao kite surf izao. Hisy ny mpifaninana avy amin’ny firenena 5 hafa avy any France Espagne, Suise, Pays-bas, Holande, ary Italie.

Sokajy telo no hifaninana amin’izao hetsika izao, ahitana ny Wing foil, Win surf ary ny Kite surf.

Ny fampiroboroboana ny fizahantany amin’ny alalan’ity fifaninana ity no endrika vaovao hitan’ny Ministera amin’izao fotoana izao hoy ny Minisitra.

Hisy ihany koa ny fampisehoana ara-javakanto sy dihy nentim-paharazana ary fifaninana Miss et Mister.

Manomboka ny 08 Septambra 2023 no tena hanomboka ny fifaninana amin’ireo rehetra ireo no sady fotoana hifanaovan-tsonia eo amin’ny Ministera roa dia ny Ministeran’ny Fizahantany sy ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga noho izao hetsika izao mahakasika ny ranomasina ka tafiditra amin’ny resaka fampiroboroboana ny Toekarena Manga.

Tonga nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny hetsika Atoa Minisitry ny fizahantany Joel ANDRIAMANDRANTO, notronin’ny Tale Jeneralin’ny Toekarena Manga, Atoa RAKOTOSOA Rado, nisolotena ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, ary ireo manam-pahefana avy ao an-toerana nahitana an’Atoa Prefektioran’Antsiranana MANANJARA Lucien, Atoa TILAHIZANDRY Angelo Niaina, Sekretera Jeneralin’ny Governora ary ireo Talem-paritra vitsivitsy.