Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Ivandry, Antananarivo Faritra Analamanga : Atrikasa Nasionaly amin’ny Fampisakafoanana eny an-tsekoly

Ho fanatratrarana ny Velirano faha-4 «fanomezana fampianarana ho an’ny rehetra » sy ny velirano faha-9 « fahavitan-tena ara-tsakafo » izay napetraky ny Filoham-pirenena Malagasy dia tanterahina ny 04 Septambra sy 05 Septambra 2023 eny amin’ny Novotel Ivandry ny Atrikasa Nasionaly amin’ny Fampisakafoanana  eny an-tsekoly mifototra amin’ny famokarana sy ny fihinanana vokatra eto an-toerana, izay fiaraha- miasan’ny Fitondram-panjakana Malagasy sy ny PAM na ny « Programme Alimentaire Mondial ».

Distrika miisa 20 no hisitraka izany fampisakafoanana an-tsekoly izany ka anisa’ny tanjona amin’izao fiaraha-miasa izao ny hampitombona hatramin’ny 300 000 ireo mpianatra hisitraka izany. Nisy noho izany ny fanaovan-tsonia teo amin’ireo mpiara-mombon’antoka sy ny koperativa AVOTSE I ANDROY mba hametrahana ny fomba mahomby ny hanatanterahana izany asa izany.

Mandray anjara feno amin’izao fiaraha-mientana izao ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga, satria ny sakafo Izay homena ireo mpianatra dia ho vokarina  amin’ny-toerana hanjifana azy ihany ka ny hazandrano dia ho isan’izany sakafo hozaraina amin’izany. Marihina moa fa mitondra “protéine” avo foloheny noho ny hena ny hazan-drano ary mitondra otrik’aina maro samihafa ihany koa izay maha salama sy mampatsilo saina.

Izao tetik’asa izao dia mifameno amin’ny paik’adin’ny Ministera ny amin’ny fanaparitahana ny fiompiana trondro mba hanakaiky ny mpanjifa ary koa fanazarana ny vahoaka amin’ny fihinanana hazandrano. Nanotrona sy nanome voninahitra ity atrikasa ity moa ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Atoa MAHATANTE Paubert.