Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa teo amin’ny orinasa SOMAPECHE sy ny orinasa BAOLONG

Tanjon’ny Ministera’ny Jono sy ny Toekarena Manga ny hampiakatra ny tahan’ny fihinana trondro ho an’ny vahoaka malagasy ahafahana miady amin’ny tsy fanjariantsakafo izy ity izay sakafo mahafeno ny fepetra ara-pahasalamana rehetra Ary koa hisian’ny asa sosialy himpaka any amin’izy ireo amin’ny alalan’ity seham-pihariana ity.
Notanterahina androany 31 aogositra ny fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa teo amin’ny orinasa Somapêche Sy ny orinasa Baolong izay ahafahana mamaly izany filàna izany Ary Tonga nanatrika izany ny Minisitra mpiahy A/toa MAHATANTE Paubert .
Ny orinasa Baolong indray eto no hitsinjara ireo vokatra azo amin’ny vidiny zakan’ny fahefan’ny malagasy.
️Tsy mijanona hatreo fa mbola betsaka ireo asa entina hanampiana ireo mpanjono hampitombona ny vokatra ka ho lasa fahazarana anaty sakafon’ny malagasy ny fihinana izany.
Marihina fa Ankehitriny dia Efa tafiakatra 7kg isan’olona isan-taona ny tahan’ny fihinana izany eto Madagasikara izay nahitana fiakarany.
Entanina hatrany ireo orinasa tsy miankina maro samihafa izay mpisehatra amin’ny Jono hifanome tanana amin’ny Ministera mba hahafahana manatratra ireo Tanjona.