Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Ivandry Antananarivo, Faritra Analamanga : Fivoriana faha 08 an’ireo tompon’andraikitra ambonin’ireo Firenena mivondrona ao amin’ny AIS FORUM.

Nohon’ny fitombon’ny mponina sy ny fiovan’ny toetr’andro dia mivondrona sy mifanome tanana ireo Vondrona Nosy sy Nosy rehetra manerantany ho fiantrehana izany sy hamahana ny olana ara-tontolo iainana. Arak’izany dia tanterahina ao amin’ny Novotel Ivandry, Antananarivo Faritra Analamanga ny 29 Aogositra 2023 ny fivoriana faha 08 an’ireo tompon’andraikitra ambony mivondrona ao amin’ny AIS FORUM.

Fivoriana izay hanomanana ny fihaonam-be an’ireo mpitondra izay mivondrona ao anatin’ny AIS FORUM izay hotanterahina any BALI, Indonezia ny Volana Oktobra 2023. Hifanakalo hevitra ihany koa ireo tompon’andraikitra rehetra amin’ny hamahana ny olana vokatry ny fiovaovan’ny Toetry ny andro mianjady amin’ny Firenena rehetra , ny hitantanana maharitra ireo harena voajanahary an-dranomasina toy ny fanamafisana ny ady amin’ny Jono tsy ara-dalana tsy voafanambara ary tsy voafehin-dalana(Jono INN), ny fanamafisana ny fiarovana an-dranomasina. Hisy ihany koa ny finan-kalozana ara-tsiansa.

Nanotrona sy nanome voninahitra ny lanonana fanokafana tamin’ny fomba ofisialy izany fivoriana izany ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga Atoa MAHATANTE Paubert notronin’ireo mpiara-miasa aminy . Marihina fa miisa 55 ireo Vondrona Nosy sy Nosy manerantany mandray anjara amin’ity fivoriana ity