Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Anosy Antananarivo Faritra Analamanga : Atrikasa nasionaly hanomezan-danja ny fampidirana ireo karazan-java-manan’aina eo amin’ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana ary ny Jono eto Madagasikara.

Fototra ho amin’ny fampivoarana sy fampandrosoana ny tontolon’ny Jono sy ny fambolena ary ny fiompiana ny fisiana sy ny fikajiana ireo karazan-java-manan’aina izay betsaka ary mampiavaka an’i Madagasikara. Raha ny zava-misy ankehitriny dia maro ireo sakana na ambana izay mihatra amin’ireo karazan-java-manan’aina izay miteraka ny fihenanan’ny vokatra aram-pamokarana na izany eo amin’ny sehatry Jono sy ny fihariana anaty rano na eo amin’ny fambolena.

Ho fampatsiahivana ny andraikitra ho raisin’ny tsirairay amin’ny hitantanana maharitra ireo karazan-java-manan’aina ireo ho lovain-jafy dia misy ny Atrikasa nasionaly hanomezan-danja ny fampidirana ny karazan-java-manan’aina eo amin’ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana ary ny Jono eto Madagasikara izay tanterahina eo amin’ny Carlton Anosy Antananarivo Faritra Analamanga ny 23 Aogositra 2023.Atrikasa izay tanterahin’ny FAO amin’ny alalan’ny Tetikasa FMM eto Madagasikara.

 Nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga Atoa MAHATANTE Paubert,notronin-Rtoa Sekretera Jeneralin’ny MINAE, ny solontena maharitry ny FAO, ny avy ao amin’ny MEDD,ny avy amin’ny fiaraha-monim-pirenena, ny sehatra tsy miankina. Marihina fa ny FMM dia eo ambany fiahian’ny MINAE ary miara miasa amin’ny MPEB sy ny MEDD.