Ivandry, Antananarivo Faritra Analamanga: Fihaonana tamin’ny delegasionina avy any Indonezia.
Nisy ny fihaonan’Atoa Minisitra MAHATANTE Paubert tamin’ny delegasionina avy any Indonezia izay notarihin’Atoa Minisitra Lefitra misahana « souveraineté maritime et énergie » ny 28 Aogositra 2023 teny Ivandry Antananarivo Faritra Analamanga. Tanjona tamin’ny fihaonana ny hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta mahakasika ny tontolon’ny Toekarena Manga amin’ny fampivoarana izany, tafiditra anatin’izany ny fivoriana sy hetsika izay tohanan’ny AIS Forum izay tanterahina eto amintsika.
Ny Firenena Indonezia dia efa nanome vatsim-pianarana sy fiofanana maro ho an’ireo teknisianinaantsika eto Madagasikara, vao volana vitsy lasa izay no nidina tany Anakao (Toliara ) izy ireo nampiofana ireo mpanjono amin’ny fametrahana ilay « Dispositif de Concentration de poisson » na ny DCP ka maherin’ny 50 isa ireo mpanjono no nandray anjara tamin’izany. Fehiny dia nahomby ny fifampiresahana ary mety hisy ny fifanaovan-tsonia eo amin’ny roa tonta amin’ny lafiny fanjonoana sy ny Toekarena Manga amin’ny ankapobeany ary indrindra ny fiafanakalozana ara-tsiansa mba ho tombontsoan’i Madagasikara