Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

π…πŽπ‰π€π„π πŸπžΜ€π¦πž 𝐞́𝐝𝐒𝐭𝐒𝐨𝐧 πŸπŸŽπŸπŸ“
πŒπ€ππŽπƒπˆπƒπˆππ€ 𝐍𝐘 πŸ“πŸŽπŸŽ πˆπ‘π„πŽ π“π€ππŽπ‘π€ π‡π€ππƒπ‘π€π˜ 𝐀𝐍𝐉𝐀𝐑𝐀 π€π•π˜ π€πŒπˆππ€ π…πˆπ‘π„ππ„ππ€ πŸ“πŸ’ π€π“π˜ π€π…π‘πˆπŠπ€.

I Madagasikara dia anisan’ny firenena ivon’ireo fivoriambe manerantany indrindra aty Afrika amin’ity taona 2025 ka iray ao anatin’izany ity #fihaonam_ben_ny_tanora mahakasika ny #toekarena_manga izay ho tanterahina any Toliara ,faritra Atsimo Andrefana ny 17,18,19 Aprily 2025 ho avy izao . tanora manodidina ny 500 avy amin’ny firenena 54 avy aty Afrika no Andray Anjara amin’izany ao koa ireo manam-pahaizana maro izay hifampizara traikefa ary ireo mpiara- miombon’antoka isan-tokony .
Nosafidiana manokana i Toliara noho izy anisan’ny ahitana ranomasina , renirano, seranan-tsambo, fanjonoana Madinika vaventy Ary salatsalany , fiompiana zanga , fambolena lomotra, Ny institut halieutique et des sciences marine eto Madagasikara sy ireo valanjavaboahary anaty ranomasina harovana isan-karazany sy ny maro hafa.
Marihina famanodidina 60% n’ny tanora eran’izao tontolo izao dia Afrikanina avokoa. Ahoana arak’izany no ahafahantsika miatrika ny ho avin’ireo tanora ireo na amin’ny lafiny sakafo ,na arak’asa , na maha olona? Izany indrindra no maha-zava-dehibe ny resaka #toekarena_manga amin’ny maha #fanohitra azy ahafahantsika #miatrika_ny_filana rehetra amin’ny maha olombelona antsika tsirairay avy.